Mayotte : Haharitra 48 ora ny fahatapahan-drano manomboka ny 4 septambra izao
Nanao fanambarana ny komity mpanara-maso ny loharanon-drano ao Mayotte fa manomboka ny 4 septambra izao dia hisy ny fiovan-drafitra amin’ny fitantanan-drano ao amin’ny nosy. Raha tsiahivina dia misedra tsy fahampian-drano goavana i Mayotte tao anatin’ny volana maromaro izao.
Manomboka amin’io daty nifanomezana io dia ho tapaka manditra ny 48 ora isaky ny 24 ora, izany hoe mandeha iray andro dia tapaka roa andro, ny rano manerana ny departemantan’ny nosy raha ny voalazan’ny tompon’andraikitra. Manomboka amin’ny 4 ora tolakandro no tapahina izany ary tsy miverina raha tsy amin’ny 4 ora tolakandro aorian’ny 48 ora.
Hafa kosa ny fepetra ho an’ireo faritra tena mila rano betsaka. Isan’izany ny ao amin’ny Mamoudzou sy Koungou ary Petite-Terre. Ho an’ireo toerana ireo dia in-5 isan-kerinandro ny fanapahana ny rano manomboka amin’ny 4 ora tolakandro hatramin’ny 8 ora maraina, miampy fanapahana mandritra ny 36 ora indray mandeha isan-kerinandro.
