Maurice : Hamatsy vary ny nosy i Inde
Higadona ao Port-Louis mandritra ny herinandro voalohan’ny volana septmbra izao ny famatsiam-bary voalohany alefan’i New Delhi ho an’ny nosy Maurice. Raha tsiahivina dia tamin’ny fiandohan’ity volana ity ny fanjakana tao amin’ny nosy no nandefa fangatahana ara-diplaomatika tamin’i Inde amin’ny famatsiana vary 14 000 taonina.
Neken’ny firenena moa izany fangatahan’i Maurice izany ka izy ireo no hamatsy ny tahirin’ny STC (State Trading Corporation) amin’ny alalan’ny « riz non-basmati » antsoina ihany koa hoe « riz ration ». Ankoatran’i Maurice dia hamatsy vary 79 000 taonina an’i Bhoutan ihany koa i Inde raha ny fanazavana. Ho azy ireo dia isany hetsika maha-olona hanampiana ireo mpiara-miombon’antoka ara-diplaomatika roa lehibe aminy ireo izany.
