Inde : Tafapetraka eny amin’ny volana ny « fusée » nalefan’ny firenena
Tafapetrak’i Inde eny amin’ny volana ny « fusée » Chandrayaan-3 ny alarobia teo. Mipetraka ho andro manan-tantara ho an’ny firenena izany ary mampiditra azy ao amin’ny klioban’ireo firenena vitsy tafapetraka teny amin’ny volana.
I Inde, ny Union Soviétique, Etats-Unis ary i Chine ihany no firenena efa nahatody « fusée » teny amin’ny volana. Tsiahivina fa andro vitsivitsy tao alohan’ny nahatongavan’ny Chandrayaan-3 teny amin’ny volana dia nanao andrana ihany koa i Russie saingy tsy nahomby izany ary rava ny Luna-25 izay nalefan’izy ireo.
Raha ny tatitry ny ISRO (Organisation indienne pour la recherche spatiale) dia ao amin’ny tendrony atsimon’ny volana no misy ny Chandrayaan-3, izay marihana fa tsy misy mpanamory ary tsy nitondra olona.
