ActualitésSportTsidika

Alasora : Hanomboka ny fifantenana amin’ny fifaninanana distrika ny taranja Basket-ball

Hanomboka tsy ho ela ny fifaninana “tournoi inter-communal Avaradrano » taranja basket-Ball. Ao anatin’ny fanomanana izany ny isaky ny kaominina amin’izao fotoana izao, ka anisan’izany ny kaominina Alasora. Hanomboka ny alahady izao ny lalao fifantenana ireo ekipa hisolo tena ny kaominina ao an’izany, raha ny voalaza.

“Tsy ho diso anjara ny kaominina Alasora fa handray anjara mavitrika amin’ny fifaninanana eto amin’ny distrika. Izany indrindra no hanatanterahana ny lalao fifantenana amin’ny alahady izao, ho fiomanana amin’izany, ao amin’ny kianja filalaovana CEG Alasora ihany” hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

“Efa ela no niandrasana izao lalao izao. Hisaorana ny kaominina hatrany amin’ny fanomezan-danja ny tanora sy ny fanatanjahan-tena, indrindra ny fanentanana amin’izany satria raha tsy misy ny fandraisana an-tanana tahaka izao dia zava-poana, tsy handroso ny fanatanjahan-tena eto Alasora” hoy i Nasaina, mpilalao taranja Basket-ball.

Hanomboka amin’ny 09ora maraina moa dia hisy ny lalao. Ny ekipa avy ao amin’ny fokontany Amboaroy no hifandona amin’ny Ambodivoanjo amin’izany. Marihina fa lalao eo amin’ny sokajy lehilahy no handray anjara amin’izao fifantenana izao.

Manitra R.

Laisser un commentaire