ActualitésTatitra

France : Vehivavy iray no fandrahona pretra iray ary naka 8.000 Euros taminy

Fanindroany no nandalo teo amin’ny fitsaran’i Tarbes ao Hautes-Pyrénées ity vehivavy 52 taona nandrahona sy naka volana 8.000 Euros tamin’ny pretra iray ity. Raha ny fanazavana dia nanao an-terisetra, nandrahona ary nanery nampanao sonia an’io pretra antsoina hoe Jean-Claude Mercier io ny tenany ary niaiky izany nandritra ny fitsarana azy.

Raha tsiahivina dia voampanga nanolana zaza tsy ampy taona io pretra io ary izany no nanaraotin’ilay vehivavy nakàna vola taminy. Efa nanomboka ny taona 2021 izany fandrahonana sy fakàna vola izany raha ny fanamafisan’ilay pretra izay nitory. Marihana fa mbola ao anatin’ny fitohizan’izany raharaha fanolanana izany ihany koa ity farany.

Manoloana ny tranga kosa dia voaheloka higadra enim-bolana an-tranomaizana ilay vehivavy ary tsy mahazo mifanerasera amin’i Jean-Claude Mercier intsony.

Laisser un commentaire