ActualitésSocialTsidika

Ankadikely Ilafy : Mahazo anjara avokoa ny ankizy sy ny daholo be mandritra ny « Fête foraine special vacances 2023”

Tontosa soa aman-tsara ny faran’ny herinandrao ny hetsika “fête foraine special vacances 2023” tao amin’ny fokontany Manjaka, niaraka tamin’ny fokontany Antanetibe sy Ankadikely, ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Tsy fety ho an’ny ankizy ihany ity hetsika ity, fa sady fanomezana vahana ny asa tanana ao amin’ireo fokontany ihany koa, araka ny voalaza.

“Tahaka ireo fankalazana teo aloha dia tontosa soa aman-tsara ihany koa ny hetsika nandritra ity herinandro fahatelo nanatanterahana ny fête foraine, teto amin’ireo fokontany telo tato anatin’ny kaominina ity. Hisaorana hatrany ny mpiara-miasa sy ireo ekipa nifanontrona nandritra izany, dia ny kaominina sy ireo fikambanan’ny sefo fokontany 18 ary ireo ray aman-dreny sy ny rantsa-mangaika ety ifotony” hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

“Nandritra ny fankalazana ny lanonam-panokafana ity herinandro fahatelo ity moa, dia nisy hatrany ny fampirantiana ny asa tanana vita avy eto amin’ny fokontany ka niresahana indrindra ny tohana sy tosika azon’ny kaominina atao amin’izany sehatra izany. Voaresaka ihany koa ny fanatsarana ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana” hoy hatrany ny fanazavana.

Tsy fety ho an’ny ankizy irery ihany araka izany ny fête foraine atolotry ny kaominina ity fa sady fanomezan-danja ihany koa ny seha-pihariana eny amin’ny fokontany. Laharam-pahamehana tokoa ny fijerena izany satria antoky ny fandrosoana eny ifotony.

Manitra R.

Laisser un commentaire