Etats-Unis : Ankizy 6 taona no notifirin’ny ankizy 9 taona tamin’ny basy
Ankizy 6 taona no namoy ny ainy vokatry ny tifitra basy tao Floride ny herinandro lasa teo. Raha ny fanazavan’ny solontenan’ny biraon’ny shérif tao Jacksonville, J. D. Stronko dia ankizy 9 taona no nitifitra azy ary raha nisy olon-dehibe tao amin’ny toerana nisehoan’ny tranga tamin’ny fotoana nisehoan’izany.
Tsy nanome fanazavana manoloana ny rohim-pihavavan’ireo olona tao an-toerana sy ireo ankizy kosa nefa ny tompon’andraikitra. Marihina fa misy ny lalàna manan-kery ao an-toerana ahafahan’ny manam-pahefana mitazona izany ita (information) izany ho tsiambaratelo. Mbola mitohy kosa nefa ny fanadihadiana manoloana ny raharaha raha ny fanamafisana.
