France : Matihanina tamin’ny taranjany i Gérard Leclerc
Mpanao gazety manana ny lazany i Gérard Leclerc. Namoy ny ainy teo amin’ny faha-71 taonany ny talata teo noho ny fianjeran’ny fiaramanidina kely nentiny izy. Raha ny fanazavana, tsy nandrenesam-baovao nandritra ny ora maromaro ny fiaramanidina tao amin’ny faritr’i Loire-Atlantique talohan’ny nahitana ny potik’izany nentin’ny ranon’i Loire.
Matihanina teo amin’ny sehatra niasany i Gérard Leclerc. Mpanao gazety tamin’ny onjam-peo tao amin’ny Europe 1 no niandohany ny taona 1975 hatramin’ny 1985. Niasa tao amin’ny RMC kosa izy nanomboka ny taona 1985. Endrika nanamarika ny Antenne 2 sy France 2 ihany i Gérard Leclerc ary efa nisahana andraikitra isan-karazany toy ny lehiben’ny sampan-draharaha ara-toekarena sy sosialy, mpamoaka lahatsoratra, mpanao gazety manokana, lehiben’ny tonian-dahatsoratra tao amin’ny fandaharana Télématin ary ny sampan-draharaha politika ary ny tale lefitry ny fanoratana.
Efa lehiben’ny tonian-dahatsoratry ny France 3 ihany koa ny tenany ary efa filohan’ny LCP-AN (Chaîne parlementaire Assemblée nationale). Niasa ho an’ny CNews kosa izy nanomboka ny taona 2017.
