Masindray: Mitohy ny antso avo ataon’ireo mponina amin’ny fahapotehan’ny tanimbolin’izy ireo
Mitohy hatrany ny antso avo sy ny fitarainana ataon’ireo mpamboly, manamorona ny sisin-drano Ikopa ao amin’ny fokontany Miadamanjaka, kaominina Masindray. Potiky ny mpaka fasika ny sisin-drano ka manimba ny tanin’ireo mpamboly, izay misy fiantraikany amin’ny fambolen’izy ireo, araka ny voalaza.
“Tena mila mandray fepetra sy lalàna ireo tomponandraikitra manoloana ny tsy rariny mihatra amin’ireo mpamboly. Mila asina lalàna sy fitsipika mamehy ireo mpaka fasika sy manasazy satria manao izay tian’izy ireo amin’ny sisindrano kanefa ireo mpamboly no mizaka ny vokatry ny fahapotehan’ny tany mihotsaka” hoy i Liva, mpamboly.
“Ilaina ny fiaraha-mientan’ny tantsaha mpamboly amin’ny tranga tahaka izao, mila miray hina ireo manana tany voakitika na simba tany na rava fambolena ary mametraka fitoriana eny amin’ny tompondraikitra momba ireo mpanimba satria misy ireo tsy manara-dalàna sy manao fanahiniana rehefa tsy ampy ny fandraisana andraikitra” hoy i Luc, mponina ao Masindray.
Efa amam-bolana maro moa no nisian’ny fitariana mahakasika ity zava-misy ity ary saika voakasik’izany avokoa ireo mpamboly manamorona ny ranon’ikopa. Tsiavina, fa anisan’ny manentana ireo voakasika hanao fitoriana eny amin’ny manam-pahefana ny tomponandraikitry ny kaominina ao an-toeran noho ny tsy maha ara-dalàna ireo mpaka fasika hatrany.
Manitra R.
