France : Polisy iray no namono tena tao amin’ny biraony
Polisy iray no nitifi-tena tamin’ny basy fitondrany miasa tao amin’ny biraon’ny polisy tao Fontenay-sous-Bois ao Val-de-Marne ny herinandro lasa teo. Polisy tao amin’ny sampana teknika ny tenany raha ny fanazavana. Nohamafisin’ny fampanoavana tao Créteil kosa io tranga famonoan-tena io.
Ireo mpiara-miasa tamin’io lehilahy 37 taona io no nahita ny razana, 10 ora taty aoriana raha ny fanamafisana. Manoloana ny tranga kosa dia efa misokatra ny fanadihadiana hamantarana ny anton’io fihetsika io. Raha ny fantatra dia manan-janaka roa io polisy io ary vao niverina niasa mihitsy taorian’ny « congé de paternité ».
Raha ny petra-kevitrin’ny fampanoavana dia tsy misy ifandraisany mivantana amin’ny sehatry ny asa ny anton’io famonoan-tena io.
