BTC: Mitohy ny fandraisana anarana amin’ny fampianarana dihy
Mitohy hatrany ny fandraisana anarana ho an’ireo izay liana amin’ny fampianarana dihy maimaim-poana atolotry ny BTC Ambohimangakely. Misy karazany telo no dihy hianarana ao anatin’izany, dia ny dihy nentin-drazana, ny dihy fanao amin’ny lanonana ary ny “breaking”.
“Mbola maro ireo liana sy nangataka fanazavana mahasika ny fampianarana dihy maimaim-poana ato amin’ny BTC. Efa maro ireo tonga namaly ny antso, na izany aza mbola misy hatrany ny fandraisana anarana ho an’ireo liana ho an’ny rahampitso sabotsy” hoy i Hasina, tomponandraikitra ao amin’ny BTC.
“Isaky ny alarobia, amin’ny 02 ora tolak’andro sy ny sabotsy maraina, manomboka amin’ny 09 ora ny fotoana hifanomezana ety amin’ny ivon-toerana BTC. Marihina hatrany fa misy karazany telo, araka izay tiana sy manavanana no hianarana. Ary efa manana traikefa amin’izany ireo mpampianatra” hoy hatrany ny fanazavana.
Famoizana talenta, izay no tanjon’ny BTC araka ny efa nahafantarana azy hatramin’izay. Ny BTC izay manome vahana manokana ny kolontsaina sy ireo zava-kanto ka izany indrindra no hanentanana ny rehetra ho tonga maro eny an-toerana. Eo anelanelan’ny Gallodrome sy ny Jovena double no misy ny ivon-toerana BTC.
Manitra R.
