Sabotsy Namehana: Mandray mpianatra ny ao amin’ny ivon-toerana CFPF Antsofonondry
Mitohy hatrany ny fandraisana mpianatra ao amin’ny ivon-toeram-piofanana CFPF (centre de formation professionnelle pour les femmes) Antsofonondry amin’izao fotoanan’ny fialan-tsasatra izao. Misy isan-karazany ireo fiofanana atolotry ny ivon-toerana ary mianatra amin’ny andavan’andro sy ny sabotsy ihany koa, araka ny voalaza.
“Mitohy hatrany ny fisoratana anarana sy ny fandraisana mpianatra ato amin’ny ivon-toerana. Tsy miova fa misy ny fampianarana manjaitra, mahandro, ny fianarana mofo mafy sy ny maro hafa ary ny taranja informatique isaky ny sabotsy, izay mampivaka ny ivon-toerana” hoy ny tomponandraikitra ao amin’ny ivon-toerana.
“Anisan’ny tanjon’ny ivon-toerana hatramin’izay ny fanohana ny vehivavy, hampitombo ny fahaizana sy ny fahalalana ao anatiny ahafahana manatsara ny fidiram-bola. Maimaim-poana ny saram-pianarana ato amin’ny ivon-toerana ary mandritra ny telo volana ny fiofanana” hoy hatrany ny fanazavana.
Marihina moa fa tamin’ity indray mitoraka ity dia misy ireo taranja fanampiny atolotry ny ivon-toerana dia ny taranja momba ny fitantanana (gestion simplifiée) sy ny fampivoarana mahaolona (développement personnel). Ny 11 septambra moa no fidirana manaraka ao anatin’izany ary voafetra ny toerana ho an’ireo izay liana amin’ny fisoratana anarana ka mila vonjivonjena ny toeranaA.
Manitra R.
