ActualitésTatitra

France : Tafiakatra 80 isa no namoy ny ainy nandritra ny onjan’hafanana ny volana lasa teo

Voasokajy ho isany volana nafana indrindra teo amin’ny tantara ny volana jolay teo. Firenena maro no nirakitra ny maripany ambony indrindra (record) tao an’izany. Maro ihany koa ny firenena voakasik’izany tao Europe, indrindra i Grèce sy Italie izay niteraka fahamaizana goavana.

Isany nisedra ny onjan’hafanana (canicule) ihany koa i France. Raha ny tatitry ny Santé publique France dia tsy latsaky ny 80 no namoy ny ainy nandritra izany noho ny antony samihafa. Marihana fa mbola eo am-pahamaritana indrindra ireo antony nitarika ny trangam-pahafatesana ireo io sampan-draharaha io.

Toerana maromaro toy i Auvergne-Rhône-Alpes, Bourgogne-Franche-Comté, Corse, Grand-Est ary Provence-Alpes-Côte d’Azur kosa no tena tojo onjan’hafanana goavana tao France.

Laisser un commentaire