Faritry Sofia : nohamafisina ny fiarovana ny rohivoahary ala honko
Ho fanoizana ny fankalazana ny andro iraisam-pirenenana amin’ny fiarovana ny rohivohary ala honko dia notohizana tao amin’ny Kaominina Maromandia Distrikan’Ananalava ,Faritra Sofia ny fambolena ala honko. Araka izany dia nandritra ity fankalazana ity no nambolena zanaka ala honko miisa 80 000 tamin’ny velaran-tany mirefy 8ha tany an-toerana. Nandritra ity fotoana ity dia tonga tany an-toerana i Ramatoa VINA Marie-Orléa Minisitra notronin’ny Governoran’ny Faritra Sofia Lylison René de Rolland, ny Solombavambahoaka voafidy tao amin’ny Distrikan’Ananalava, ny Ben’ny Tanàna ary ireo mpiara-miombon’antoka maro.
« Fitaovana maro no natolotry ny ministera ho fanohanana ny fanarenana. Ho fanohizana ny asa ihany koa dia nahazo isika: lakana motera miisa 4, harato miampy gilet de sauvetage ho an’ireo Vondron’olona ifotony ao Maromandia. Ireto fampitaovana ireto dia vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny Ministeran’ny tontolo iainana sy ny Madagascar National Parks mpitantana ny faritra arovana an-dranomasina Sahamalaza ary ny KFW.” Hoy ireo mpisehatra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana any an-toerana.
« Hanamafisana ny fiarovana sy ny fitantanana lovainjafy ny ala honko ireto fampitaovana ireto ary koa ho fanatanterahana ny fandaharanasa pêche côtière durable izay hitarika amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafon’ny mponina. » hoy ny avy amin’ny Ministeran’ny tonolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy Tao anatin’ny taona vitsy nifanesy izay dia nihazakazaka namboly ity ala honko ity ny avy amin’ny Ministeran’ny tontolo iainana. Tao anatin’izay anefa na dia nohezahina nohamafisina aza ny fiarovana dia mbola nisy ihany ny fahasimbana nohon’ny antony ara-boajanahary sy ny sopatry ny olombelona. Ny tanjona ilofosan’ny Ministera sy ny mpiara-miobon’antoka aminy dia ny hamela tontolo tsara sy maharitra ho an’ny taranaka mifandimby. « Hanarina ny taninjanaka ho tonga tontolo lovain-jafy » hoy ny fiteny.
Miranto Andriharisoa
