ActualitésTatitra

Inde : Mpivady iray no nivarotra ny zanany mba hividianana iPhone 14

Mpivady iray monina ao Bengale occidental, ao amin’ny distrika North 24 Parganas no nivarotra ny zanany valo volana mba hividianana iPhone 14. Raha ny fanazavana dia ilain’izy ireo amin’ny fanodinana horonantsary Instagram mandritra ny fandehandehanana ataon’izy ireo manerana an’i Bengale izany.

Manoloana ny tranga dia nosamborina ny renin’ilay zaza antsoina hoe Sathi raha mbola karohina kosa ny rainy, Jaydev Ghosh. Raha ny tatitry ny Times of India dia ireo mpiray vodirindrina tamin’izy mivady no nampandre ny manam-pahefana rehefa nahatsikaritra ny fihetsika hafahafan’izy mivady sy noho ny tsy fahitana ilay zaza nandritra ny andro maromaro. Teo ihany koa ny fananan’izy mividy iPhone 14 kanefa marihana fa sahirana ara-pivelomana izy ireo.

Rehefa natao fanadihadiana kosa ilay renim-pianakaviana dia nihaiky heloka ary nilaza ny vadiny no nanery azy hamarotra ny zanak’izy ireo. Nanamafy ny tenany fa efa nokasain’ny vadiny namidy ihany koa ny zanak’izy ireo iray hafa, 7 taona.

Laisser un commentaire