Maurice : Tsy hisy ny tsy fahampian’ny vary eny an-tsena
Nilaza ny STC (State Trading Corporation) fa tsy hisy ny tsy fahampian’ny vary eny an-tsena. Sambo telo hitondra vary no higadona ao amin’ny nosy Maurice amin’ity volana ity ary hahampy hatramin’ny tapaky ny volana septambra any izany raha ny fanamafisan’izy ireo.
Tao anatin’izany dia misy ny fifampidinihana tamin’ny governemantan’i Inde izay hamatsy ny tsena ihany koa. Ny zoma lasa teo dia vary 980 taonina no efa nigadona tao amin’ny nosy raha ny voalazan’ny tompon’andraikitry ny serasera, Sheena Ramdonee. Efa hiparitaka eny an-tsena afaka andro vitsivitsy izany hoy izay ary ho atao tsikelikely ny fitsinjarana azy mba tsy ho lany ao anatin’ny fotoana fohy.
Ankoatran’i Inde dia efa manao fampiraharaha amin’ny firenena hafa toy Pakistan, Thaïlande ary Vietnam ihany koa ny nosy raha sendra misy ny tsy fahampiana tampoka hoy ny ministeran’ny raharaham-bahiny tao amin’ny nosy.
