Antsirabe : Fianakaviana miisa 78 no nisitraka Trano mora
Efa an-dalam-pahavitana ny Trano mora andiany voalohany izay atao ao Antsirabe. Araka ny voalaza dia fianakaviana miisa 78 no hisitraka ny Trano Mora amin’ity andiany voalohany ity. Ankoatra izay dia fianakaviana miisa 100 no hahazo tany voajary eo Ivohitra.
“ Araka ny lamina amin’ny fanolorana ny Trano mora dia tontosa ny zoma 28 jolay ny fisarihana ny anaran’ireo izay hisitraka izany tamin’ireo aman’anarivony nisoratra anarana teto Antsirabe ka nahafeno ny fepetra. Izany fisarihana izany dia notanterahina teo anatrehan’ny vadintany sy ireo olona nisoratra anarana, ary notontosaina tao anatin’ny mangarahara tanteraka.” Hoy ny tompon’andraikitra
“ Tsy ho an’ny eto Antsirabe ihany no notanterahina fa ho avy tsy ho ela ihany koa ny anjara fisarihana ho an’ny Trano mora ao Nosy Be, Morondava, Antsiranana, Toamasina ary ny building mora Ivato. Rehefa vita izany rehetra izany dia ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina no hanolotra ny fanalahidy ho an’ireo tompon’ny trano rehetra voasarika manerana ny Nosy.” Hoy ny avy amin’ny Fanjakana foibe
Maro dia maro tokoa ireo olom-pirenena no liana tamin’ny tetikasa Trano mora sy Building mora manerana an’i Madagasikara. Fepetra maro anefa no takiana amin’ ny fahazoana izany ka tsy izay rehetra nisoratra anarana no hisitraka azy fa ireo izay voasarika sy nahafeno ny fepetra notakiana.
Miranto Andriharisoa
