SocialTatitra

Australie : Nifarana ny fanampiana amin’ny karaman’ny mponina

Nofaranana ny alahady 28 martsa ireo fanampiana amin’ny karaman’ny mponina ao Australie. Tetik’ady iray noforonina ny taon-dasa izy io nentina nanampiana ireo izay tsy afaka mandeha miasa noho ny fisian’ny valanaretina coronavirus.Vinavinaina ho maherin’ny 150 000 ireo olona tsy ho an’asa intsony araka izany taorian’ny nanafoanana ity fanampiana ity. Jobkeeper no anaran’ilay tetik’asa. Maharay vola mitentina 1 500 dolara (manodidina ny 6 000 000 ariary) isaky ny roa herinandro avy amin’ireo mpampiasa azy ireo mpiasa raha ny fanambarana natao tao an-toerana ny volana martsa 2020, fotoana nampirongatra ny valanaretina tao Australie. Fanampiana ara-ekonomika ihany anefa izany raha ny fanazavan’i Josh Frydenberg, minisitry ny fitantanam-bolan’i Australie. Efa nampihomanina ihany koa ireo mponina hoy izy fa tsy tetik’asa maharitra ny Jobkeeper. Efa miha-miakatra ny toe-draharaha ekonomika ao an-toerana amin’izao fotoana ka io no isan’ny antony lehibe nanosika ny governemanta hamarana amin’izay ny tetik’asa Jobkeeper raha ny fanazavana.

Laisser un commentaire