SSMAF: Mbola misy ny Concours photo amin’ity volana Aogositra ity
Ao anatin’ny tanteraka ny hetsika SSMAF, izay karakarain’ny BTC Ambohimangakely, amin’izao fotoana izao. Tsy mbola tara ireo izay maniry handray anjara amin’ireo fifaninana fa mbola azo atao tsara ny manoratra anarana.
“Mbola hitohy hatramin’ity volana aogositra ity ny fifaninana sary (concours photo) izay ao anatin’ny sokajy Art et festival ato anatin’ny hetsika SSMAF. Mbola mitohy ary misy hatrany ny fandraisana ireo mpandray anjara ao anatin’izany ary afaka manoratra anarana ao amin’ny lien” hoy i Hasina, tomponandraikitra ao amin’ny BTC.
“Fotoana iray mila hanararaotan’ny tanora, tsy voatery ho manatalenta vao handray anjara amin’ny SSMAF, ny fifaninana rehetra mandritra ny hetsika. Afaka atao tsara ny manomboka ary mikaroka izany talenta izany ka amin’izao hetsika izao no tokony hanapa-kevitra” hoy i Rado, mpanao poezia.
Mbola hatramin’ny volana aogositra no misy ny fifaninana, concour photo, ity. Ampatsiahivina hatrany fa sary maneho ny kolontsaina Malagasy no alaina sary ao anatin’izany ary alefa ao amin’ny pejy facebook BTC, arahana ny teny #BTC, #BTC_Ambohimangakely sy/na #festival_ssmaf.
Indro ny rohy ahafahana manoratra anarana amin’izany.
Manitra R.
