Lemak’i Mangoky : Misy hatrany ny tetikasa fanatsarana ny famokaram-bary.
Nanana velarana 5 000 ha azo novolena vary ny tao Mangoky ny taona 2019. Anisan’ny faritra tena mpamokatra vary eto Madagasikara ihany koa ny any an-toerana. Karazam-bary maro mifanaraka tsara amin’ny toetr’andro sy toe-tany no nosafidian’ny tantsaha any amin’iny faritra iny mba hahazoan’izy ireo tombony hatramin’ny 20%. Maro ny fifananaraham-piaraha miasa efa nisy teo amin’ny tompon’andraikitra mba hanohanana ireo vondron’ny tantsaha mpamokatra masomboly ao amin’ny faritra sy ny teknisianina agronomika. Hatramin’izay anefa, voafetra ihany ny fanitarana tanimbary vaovao azo volena. Mbola maro anefa ireo velaran-tany midadasika mbola antenaina hanampy ny famatsiam-bary amin’iny toerana iny. Hatramin’ity taona ity, mahatratra 9000 ha ny tany hohajariana natao hambolen’ny mponina. Vokatr’izany famerana izany no nitadiavan’ny minisiteran’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono vahaolana mba hitomboan’ny fotompiveloman’ny mponina any amin’iny toerana iny. Hisy indray araka izany ny fitsinjarana tanimbary ho an’ny tantsaha sy ny mpandraharaha mba ho azo hambolem-bary indray. Avy amin’ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana ny famatsiam-bola no ahafahana manajary io tany hozaraina amin’ny tantsaha io. Tanjona ny hamokarana vary hatrany amin’ny 44000 taonina isan-taona. Mampiakatra ny voka-bary, ary mampandroso ny fidirambolan’ny faritra iray ny fizarana tanimbary tahaka izao. Fianakaviana maro ihany koa no velona indray amin’ny fanaovana izany. Hanomboka ny volana jona 2021 izao ny fizarana, aorian’ny fotodrafitr’asa hanajariana io toerana io.
Fanilo Rarivoarilala
