Tsidika

ONU: Hisy ny tomban’ezaka ho atao ho an’ireo firenena mpikambana

Araka ny fandaharam-potoana dia hisy ny fihaonana an-tampon’ny atokana ho an’ny Tanjon’ny Fandrosana Lovainjafy na ny ODD amin’ny volana Septambra ho avy izao. Amin’io fotoana io ihany koa no hanatanteraka ny tombana amin’ny ezaky ny firenena tsirairay mpikambana ao aminy ny avy amin’ny Firenena mikambana(ONU). Araka izany dia anisan’ireo firenena hanatanteraka izany tombana izany ihany koa i Madagasikara amin’ny maha mpikambana azy.

“ Ny firenena rehetra izay mpikambana ato amin’ny ONU dia manana anjara amin’ny fanatrarana ireo tanjona amin’ny fandrosaoana lovainjafy na ny ODD hatramin’ny taona 2030. Ny firenena rehetra mpikambana no voakasik’izany ary ao anatin’izany i Madagasikara.” Hoy ny avy amin’ny firenena mikambana.

«  Ekena fa nisy ireo krizy maro isan-karazany nandalo eran-tany sy tamin’ny firenena sasatsasany , teo ihany koa ny loza voajanahry izay mety nanakorontana ny tetikasa maro. Na izany na tsy izany aza anefa dia manentana ireo mpitondra rehetra hifototra amin’ny fanatrarana ireo tanjona ireo hatrany. Izahay ihany koa dia manohana hatrany ny firenena rehetra amin’ny fanatrarana izany tanjona izany. » hoy hatrany ny vay amin’ ny firenena mikambana.

Madagasikara manokana dia voakasik’io tanjon’ny fandrosoana lovainjafy io , ary maro amin’ny tanjona voarakitra ao no mahakasika betsaka an’i Madagasikara. Ohatra amin’ny tanjona mila tratrarin’i Madagasikara ny fanafohanana  ny mosary. Maro tokoa ny Malagasy mbola miana ao anatin’ny mosary ankehitriny ka ny fisian’ny rafitra tahaka itony dia hery lehibe entin’ny firenena manamafy ny ady atao aminy.

Miranto Andrih

Laisser un commentaire