Tsidika

Antsirabe : hampiakatra ny saran-dalana  ireo kaoperativa amin’ny zotra Nasionaly

Nanao fanambarana ireo kaoperativam-pitanterana ao Antsirabe fa hisy ny fanitsiana ny saran-dalana amin’ireo zotra mampitohy an’Antsirabe sy ireo faritany hafa.  Raha ny fanazavana dia nohon’ny fiakaran’ny vidin’ny kojakoja ilaina amin’ny fiara sy ny fampifanarahana ny saran-dalana amin’ny zava-misy ankehitriny no anton’ny  fanitsiana ny saran-dalana. Noho izany dia hampiakarina 10000ar avy ireo saran-dalana amin’ny zotra rehetra izy ireo.

“ Efa an-taonany maro no tsy nampiakatra na nikitika ny saran-dalana izahay kaoperativa. Ankehitriny kosa efa iarahan-tsika mahalala ny fiakaran’ny vidim-piainana ary miakatra manarak’izany ihany koa ny vidin’ny ireo fitaovana maro natao hikojakojana ny fiara. Noho izany antony rehetra izany no nahatonga izao fanitsiana ny saran-dalana izao. Ny saran-dalana nampiakarina dia natao ho sahaza ny sarababembahoaka.” Hoy ny avy amin’ny fikambanan’ny kaoperativa

“Manomboka ny faha-4 ny volana Aogositra 2023  dia ahitsy ho 70000 Ariary ny saran-dalana mampitohy an’Antsirabe sy Mahajanga raha toa ka 60000 Ariary izany amin’izao.  Ho an’Atsirabe sy Toamasina kosa dia ahitsy ho 50000 Ariary ny 40000Ariary teo aloha.” Hoy hatrany ny tompon’andraikitry ny kaoperativa

Toy ny  fiakaran’ny vidin’ny akamaroan’ny entana sy  ny kojakoja fampiasa andavanandro dia manomboka mampiakatra ny saran-dalany ihany koa ireo mpitatitra. Raha ny fanazavana voaray avy amin’ny akamaroan’ireo mpitatitra dia antonony sy rariny raha toa ka ampifanarahana amin’ny fiakaran’ny vidim-piainana ankehitriny ny saran-dalana. Ny fitanterana tokoa mantsy dia asa tahaka ny asa rehetra ary mamelona aankohonana sy fianakaviana maro.

Miranto Andrih

Laisser un commentaire