ActualitésSocialTsidika

Institut IISS: Hisy fampiofanana mahakasika ny “Finance d’entreprise” sy ny “Business plan”

Hanolotra fiofanana ho an’ireo te ho matihanina amin’ny sehatra arak’asa, mahakasika ny “finance d’entreprise” sy ny “business plan” ny ivon-toeram-piofanana IISS, ny 03 sy 04 aogositra ho avy izao. olona efa matihaninana eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana no hitondra ny fiofanana ao anatin’izany, araka ny voalaza.

“Natao indrindra ho an’ireo maniry na te hisehatra manokana amin’ny tontolon’ny fandraharahana ity fiofanana ity satria mandritra izany no hamahavahana sy hanomezana ny lakile mahakasika ny fitantanam-bola sy ny drafitr’asa (business plan)” hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny IISS.

“Mifanaraka indrindra amin’ny fampiofanana misy ato amin’ny IISS indrindra ity fiofanana ity satria manofana tanora ho lasa matihanina sy mpandraharaha.  Izay ihany koa no anisan’ny tanjona mba ho fanohanana azy ireo hatrany sy fampitomboana fahaizana mba hampivelatra eo sehatra misy azy” hoy hatrany ny fanazavana.

John Harivero Ramamonjisoa, izay consultant, no hitondra ny fiofanana amin’ireo fiofanana ireo. Eny amin’ny IISS Ambaranjana kosa no hanatanterahana izany. Ho an’ireo liana moa dia afaka manoratra anarana anatin’ny rohy etsy ambany.

Manitra R.

https://lnkd.in/dVUSupEd

Laisser un commentaire