Tsidika

Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka : Nanomboka omaly 25 Jolay ny vaksiny  « Polio » faobe

Nanomboka ny taona 2020 no nanombohan’ity hetsika fampanaovana vaksiny faobe ho fanefitry ny “polio” ity teto Madagasikara. Niverina indray ny hetsika ankehitriny ka nanomboka omaly 25 Jolay no nirotsaka teny anivon’ireo Fokontany manerana ny Faritra Analamanga, Vakinakaratra, Atsimo Andrefana ary i Alaotra Mangoro ireo mpiantsehatra ara-pahasalamana hanatanteraka izany. “Ho fanamafisana ny ady atao amin’ny “Pliomyélite” dia manomboka indray ny fandehanan’ireny mpisehatra ara-pahasalamana ireny mitety eny anivon’ny Fokontany misy antsika tsirairay ary mitsidika ny tokantranon-tsika tsirairay avy eny. Ankoatran’ny vaksiny izay ho ataon’izy ireo dia hisy ihany koa ny fanentanana mikasika ny fidiovana sy ny fahadiovana. Izany rehetra izany dia ho fanampiana antsika rehetra hanana fahasalamana lavorary.” Hoy ny avy amin’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka.                                                                  “Ho ahy manokana izao manana zanaka mbola madinika aho. Tonga teto aminay ireny mpiasan’ny fahasalamana ireny hoe hanao vaksiny ny ankizy, izaho tsy nisalasala nampanao ilay zanako satria fantatro fa ho fitsonjovana azy amin’ny aretina no antony hanaovana izany. Misy anefa izao ireo mpiara monina aminay eto no tsy nanaiky hanao vaksiny ny zanany fa hoe zavatra tsy fantatra hono. Samy manana ny safidiny fa tokony entanina hatrany ny olona hanao vaksiny ny zanany.” Hoy i Fara renim-pianakaviana.  Ny zava-misy rehefa fotoanan’ny vaksiny faobe tahaka izao, araka ny tranga miseho isan-taona dia mizarazara ny hevitr’ireo ray aman-dreny. Ao ireo izay mazoto ary tena liana amin’ny fampanaovana vaksiny , ao kosa anefa ireo izay sady tsy liana ka tsy manaiky hampanaovana vaksiny ny zanany ary ao ihany koa ireo izay matahotra ka manafina ny zanany mihitsy rehefa tonga ireo mpisehatra ara-pahasalamana hanao ny vaksiny. Tsy ho tratra anefa ny tanjona raha toa ka mbola misy hatrany ireo tsy manaiky hanao ny vaksiny koa mila hamafisina ny fanentanana sy ny fampahafantarana manodidina ny vaksiny.

Miranto Andrih

Laisser un commentaire