Fampiasana zaza tsy ampy taona eto Madagasikara : Nampahatsiahy ny zon’ny ankizy ny Minisitry ny asa
Maro karazana ny endrika isehoan’ny fampiasana zaza tsy ampy taona eto Madagasikara araka ny antotan’isa nivoaka. Ny sehatra ekonomika toy ny taranja lavanila, ny jono, ny asa an-trano , sy ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany no iantseheran’ireny zaza latsaky ny 18 taona ireny. Nandritra ny fankalazana ny andro maneran-tany amin’ny ady amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona tany Morondavaa no nampahatsiahy ny Minisitry ny asa sy ny fampananana asa fa fanitsakitsahana ny zon’ny ankizy ny fidiran’izy ireny amin’ny sehatry ny asa mialohan’ny faha-18 taonany.
« Zava-dehibe ny fanajana ny zon’ny ankizy ka adidin-tsika tsirairay ny miaro sy miady ho an’ny zon’ny ankizy ary tsy hanaiky ny ampidirana ny zaza latsaky ny 18 taona hiasa. Tsy natao hanala ny fahasahiranan-tsika ray aman-dreny ny zaza. Adidy sy andraiki-tsika ny manafy, ny mampiantra, mampiantrano ary ny mitsabo azy ireny ka aoka isika rehetra mba samy hamita ny adidiny avy. » Hoy i Jean Bosco Rivotiana Minisitra « Maro ireo zaza lahy sy vavy no miditra amin’ny sehatry ny asa kanefa mbola tsy ampy taona eto Morondava. Miezaka izahay ny mametraka paikady hanenana izany tsikelikely amin’ny alalan’ny fanentanana sy ny adisisika maro ary eo ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ny fikambanana maro izay manolotra fampiofanana ho an’ireo ray aman-dreny hofanatsarana ny fari-piainan’izy ireo.” Hoy ny avy amin’ny fiaraha-monim-pirenena miady ho an’ny zon’ny ankizy.
Ho fanohanana an’i Madagasikara amin’ity ady amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona ity dia manana tetikasa maro ho tanterahana eto ny avy amin’ny Vondrona iraisam-pirenena ho an’ny asa. Raha araka ny efa fantatra i Madagasikara dia tafiditra ao anatin’ireo firenena manana tanjona ny hanafoana ny asa an-terivozona, sy ny fanandevozana maoderina, ary ny fampiasana zaza tsy ampy taona .
Miranto Andrih
