ActualitésSocialTsidika

Ambohimanga Rova : Tanàn’ny mpandova asa tanana

Tanàna fahiny mbola voatahiry amin’ny endriny Ambohimanga. Anisan’ny tafiditra amin’ny tendrombohitra 12 masina izy ary ahitàna ny Rova manan-tantara indrindra eto Imerina. Na dia antsoina hoe Rovan’ny Madagasikara aza Manjakamiadana dia teo Ambohimanga no niandohan’ny fanjakàna satria tao no nonenan’ny mpanjaka Andrianampoinimerina talohan’ny nananganana ny Rovan’ny Manjakamiadana. Rehefa miresaka asa tanana Malagasy eto Imerina dia Ambohitrimanjaka sy 67ha ary Pochard Analakely foana no tonga ao antsain-tsika, Ambohimanga dia kaominina mivelatra sy misehatra bebe koakoa amin’ny asa tanana, eny no anisany toerana ahitàna ny fampiratiana ireny sary siokitra ny Rova sy mpanjaka teto Madagasikara ireny.

Nandritran’ny vanim-potoanan’ny covid-19 anefa dia somary nihen-danja ny taham-pahalafosana satria ny sisin-tany nikatona ka nihena ny mpizaha tany nitsidika. Tsy nahasakana ny fiveloman’ireto mahery fon’ny asa tanana malagasy anefa izany fa nitohy ihany ny asan’izy ireo, na nikatona aza mantsy ny sisin-tany dia misy ihany ireo teran-tany vahiny izay nijanona teto an-toerana mividy sy manafatra entana ka ireny no mba mpanjifa afaka niaraha-miasa. Ny Malagasy koa misy manjifa ihany fa amin’ny ampahany, izany hoe raha tokotokony aman’hetsiny isan’andro no noraisina talohan’ny taona 2020 dia nidina ho aminan’alina izany taty aorina ny entana koa soamary nihena noho ny fisian’ny fihibohana ka nahalany ny tahiry. Amin’izao azo lazaina ho fahalefahan’ny valan’aretina izao dia manomboka miha-miakatra kely ireo mpanjifa ny eto an-toerana moa izany no tiana lazaina eto.

Raha ara-tantara mantsy raha ny fitantaran’ny Printsy taranak’i Andriantsimitoviaminandrianandehibe dia « talohan’ny taona fiton-jato sy arivo mantsy dia Tsimadilo no anarana niantsoana io vohitra io, ny mpanjaka Andriamborona kosa no nanome ny Anarany ho Ambohitrakanga izay mbola tamin’ny vanim-potoana faha-foko izany. Nanomboka ny taon-jato faha 18 kosa no nanomboka nanjaka ny mpanjaka Andriamasinavalona ka izy no nanova ny anarana ho lasa hoe “Ambohimanga”, teo ihany koa no nanjakan’ny Andrianampoinimerina voalohany teto Imerina ».

Raha raha ny filazan’i José, mpahay tantara Malagasy kosa dia « anisan’ny mahatonga ny mponina ao an-toerana hanana ny maha izy azy ny fisian’ny Rova ao, tao aorian, tao aorian’ny nanokanana azy ho vakoka iraisam-pirenena eto Madagasikara ny taona 2001, ny 60% ny mponina mantsy dia mivelona amin’ny asa tanana Malagasy. Vao miditra ny tanàn’ny Ambohmanga fotsiny ianao dia efa mahita mpivarotra ireny kojakoja sy “art Malagasy” ireny mirantiraty eny amoron-dalana, ampisehoan’izy ireo amin’ny alalàn’ny asa tanana mihitsy mantsy ny fanjakàn’Imerina sy ny mpanjaka tao. Ahitànao mpivarotra ireny lamba Malagasy ireny koa eny an-toerana ary zavatra vita amin’ny hoditra ».

24 km miala an’Antananarivo no misy a’Ambohimanga ary afaka mitsidika ny toerana manan-tantara ao ny mpitsidika. Azo atao ihany koa ny miara-misa amin’ireo mpanao asa tanana raha to aka mahaliana anao ny vokatra sy ny endriky ny vakoka Malagasy.

Laisser un commentaire