Kenya : Hanakatona ireo toerana fialokalofan’ny mpifindra monina maherin’ny 400 000.
Ny alarobia 24 martsa lasa teo no nilaza ny governementa tao Kenya fa hanidy ireo tobin’ny mpitsoa-ponenana roa mampiantrano olona 400 000 mahery. Nilaza izy ireo fa tsy misy intsony ny toerana hanaovana fifampiraharahana momban’ny hoavin’izy ireo. Tsy vao izay akory ny governementa tao an-toerana no nilaza io fanampahan-kevitra io fa efa nilaza izany nandritran’ny fotoana maromaro. Mpifindra-monina avy any amin’ny firenena Somaly sy Soudan atsimo ireto tonga ao amin’ny Tanana Dabaab sy Kakuma ao Kenya ireto. Nisolo tenan’ny governementa tamin’ny fanambarana ny minisitry ny atitany Fred Matiangi. Nanome 14 andro ny fikambanana iraisam-pirenena sy ny mpiaro ireto mpifindra monina ireto izy mba handray fepetra mahakasika azy ireto. Manana adidy hoy izy ny governemanta hiaro an’i Kenya amin’ny resaka fanafihana hataon’ny mpampihorohoro izay kasaina hatao any amin’ireo toby (Dabaab, Kakuma). Maro amin’ireo mahita ity fanandramana hanao fampihorohorona ity no milaza fa hatao izao mba haneriterena an’i Somalie, fanjakana iray izay misy fihenjanana mafy amin’ny fifandraisana. Amin’ity indray mitoraka ity hoy ny mpaneho hevitra, lasibatra amin’ny mety hisian’ny fampihorohorohana kokoa ny toby ao Kakuma.
