Russie : Afaka ho filoham-pirenena foana hatramin’ny 2036 i Vladmir Poutine
Afaka mitazona ny fahefana mandritra ny fotoam-piasana roa misesy be izao ny Filoha Vladmir Poutine. Izany no tapaka nandritra ny fivorian’ireo solombavambahoaka ao Russie ny Alarobia 24 martsa teo. Navoaka ny lalàna ary lasa zon’ity filoham-pirenena ity mihitsy aza izany. Izany hoe, any ho any amin’ny 2036 any vao ho tapitra ny fotoam-piasany ao Kremlin. Mbola handalo eo aùmbany mason’ireo loholona ao Russie ity lalàna navoakan’ny solombavambahoaka ity ary aorian’izao no miroso amin’ny fankatoavana ofisialy amin’ny alalan’ny Sonia i Poutine.
