ActualitésSocialTsidika

Alasora: Ankizy 168 no vita fitsarana kopia faobe

Tanteraka soa aman-tsara ny hetsika fitsarana kopia faobe, izay natolotry ny kaominina Alasora, ny faran’ny herinandro teo. Ankizy latsaky ny 18 taona miisa 168 no nanaovana solon’ny kopia fahaterahana, araka ny voalaza.

“Zava-dehibe ny fandraisana an-tanana ny mahakasika ny fananana ny kopia tahaka izao. Hisaorana ny tomponandraikitra nanao izany ho laharam-pahamehana satria zo fototra tokony hananan’ny olona tsirairay ny fananana kopia ary tokony hamafisina hatrany ny fanentanana ireo ray aman-dreny mba hanatontosa izany” hoy i Haingo, mponina ao Alasora.

“Anisan’ny taratasy manamarina ny mahaizy azy ny olona iray ny kopia, tahaka ny fananana kara-panondrom-pirenena ihany ny lanja entin’izy ho an’ireo ankizy latsaky ny 18 taona. Hilaina ny kopia amin’ny fikarakara taratasy amin’ny sehatra na ambaratonga maro ka tsy tokony hatao ambanin-javatra ny fanaovana izany” hoy i Patrick, mpianatra lalàna.

Tsy misy ny fepetra manokana takiana amin’ny fanaovana kopia sora-pahaterahana. Andraikitr’ireo ray amandreny niteraka moa ny fanatanterahana izany ary tokony hatao. Raha amin’ny ankapobeny anefa, mbola maro ireo zaza tsy manana kopia eto amintsika ka anisan’ny anton’izany ny hetsika tahaka izao.

Manitra R.

Laisser un commentaire