SocialTsidika

Tsy mifidy salan-taona intsony ankehitriny ny famonoana olona.

Tsy mitsaha-mitombo ankehitriny ny fanaovana asa ratsy. Miroboka amin’izany avokoa na ny tanora sy ankizy vao herotrerony aza. Tsindrina manokana amin’izany ireo zaza tsy mbola ampy taona akory. Heloka amin’ny endriny samihafa no hita fa betsaka mpanatanteraka ankehitriny. Mety ho antony mahatonga ny ankizy hanao heloka ny andrakandrana. Eo ihany ny fijerena horonantsary samihafa sy ny fivoaran’ny teknolojia ankehitriny, raha araky ny fandinihan’ny manam-pahaizana momban’ny ankizy. Hany ka tonga hampiarin’ny ankizy eny amin’ny fiaraha-monina ny zavatra hitany amin’ireny fitaovana ireny. Ny lalàna eto Madagasikara anefa no mamaritra fa raha toa ka manao heloka bevava ny zaza tsy ampy taona iray ka mahafaty olona, azo antoka ny miditra eny am-ponja avy hatrany izy. Manaporofo izany ity tranga niseho tao Mahavoky Atsimo Mahajanga ity. Zazalalahikely vao 14 monja no nahavita heloka bevava, nahafaty tovolahy 17 taona iray. Tsy nahamenatra azy roa lahy ireto ny nanindrona antsy teo amin’ny ambavafon’ilay tovolahy 17 taona. Antony roa no nahatonga ny fifandirana: voalohany ny valifaty; ary faharoa ny tsy fahazakan’ny an-kilany ny fandalovan’ny iray tamin’iray tamin’ireo naman’ io namoy ny ainy io nitondra ny sakaizany teo amin’ny tanàna nisy azy ireo. Niezaka nandamina ihany ity namoy ny ainy amin’ny maha zokiny azy kanefa avy hatrany dia notsatohin’ireto zazalahy tamin’ny antsy. Nohon’ny fahaverezan-dra be loatra moa, tsy tanà ny ain’ilay tovolahy. Sokajiana ho tranga feno habibiana izao tranga izao, tokony samy hanara-maso ny fiainan-janany ny ray aman-dreny mba hisorohana ny vono olona toy izao. Mety ho anton’izany mantsy ny fampiharana ny horonantsary hita ankehitriny.

Fanilo Rarivoarilala

Laisser un commentaire