Tsidika

PNUD : Nanolotra fitaovana mandeha amin’ny herin’ny Masoandero ho an’ireo tokantrano marefo ato amin’ny Faritra Analamanaga, Androy ary Atsimo Andrefana

« Hazavaina ny trano, manorina ho avy maharitra ». Io no teny filamatra nentin’ny PNUD nandritra ity fizarana fitaovana fanzavana avy amin’ny herin’ny Masoandro ity. Manodidina ny 10 000 isa ireo tokantrano nisitraka Kits solaires tao anatin’nireo Faritra telo : Analamanaga, Androy ary Atsimo Andrefana. Izao tetikasa izao dia fiaraha-miasa eo amin’ny PNUD sy ny Ministeran’ny ati-tany sy ny fitsinjaram-pahefana ho fampivoarana ny eny ifotony.

« Angovo madio sy azo havaozina no atolotray sy ifampizaranay amin’ireo mponina eny ifotony » hoy ny avy amin’ny PNUD. Nosafidiana manokana mihitsy ho angovo avy amin’ny herin’ny Masoandro no nozaraina satria maro amin’ireo tokantrano ireo no mahatsiaro mavesatra amin’ny fividianana labozia na koa solotany ampiasaina ao an-tokatrano.

« Tsy manamaivana ny fandaniana an-davan’andron’ireo tokantrano ireo fotsiny ihany izahay raha manatanteraka izao fizarana “kits solaire” izao fa indrindra koa miaro ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny fampiasana angovo madio sy maharitra azo havaozina » hoy ny teknisianina.

Ny fampiasana angovo azo avy amin’ny herin’ny Masoandro dia manampy amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ary koa manena ny fandaniana ara-bola ka manatsara ny fari-piainan’ny tokantrano tsirairay avy. Noho izany ity fandraisana an-tanana natao ity dia tsy tetikasa tsotra fotsiny fa loharanom-pahazavana sy fifaliana ara koa fandrosoana.

Miranto Andrih

Laisser un commentaire