Tsidika

Fanondranana hen’omby : Manohitra ity tetikasa ity ireo mponina any amin’ny Distrikan’i Betroka

Araky ny tatitry ny filan-kevitry ny Minisitra ny alarobia lasa teo dia nekena ny hanatanterahana ny fakan-kevitra eny ifotony mahakasika ny hanondranana henan’omby. Tsara ny manamarika fa tafiditra ao amin’ilay tetikasa BoViMa (Bonne Viande de Madagascar) ity fanondranana omby ity..

Nanoloana io dia naneho ny tsy fankasitrahany ity tetikasa ity ireo mpamboly any amin’ny Distrikan’i Betroka izay nisolon’ny solombavambahoaka voafidy tany an-toerana tena : « Efa nisy ny fotoana saika nanaovana ity tetikasa ity saingy nolavin’ny fanjakana kanefa amin’izao fotoana izao dia ho atao indray. Tsy manaiky an’io ny mpiompy any Betroka. Ny fikasana hanondrana omby dia hitarika tsy fandriam-pahalemana sy halatr’omby mahery vaika any amin’iny Faritra iny ».

Tsy fotoana hamoriana olo hanapaka fanondranana omby izao.Na hena io na inona, hiteraka halatr’omby tsy hifankahitana io ary efa ho lany tamingana ny omby eto Madagasikara, hatramin’ny ombin-tsarety izao no misy mangalatra » hoy ny solombavambahoaka hafa naneho hevitra mahakasika ity tetikasa ity

Nanaitra ny mponina maro ity fanambarana ity fa indrindra ireo izay mpiompy omby. « Antony maro no tsy hanekenay ny fanondranana aomby. Rehefa tena mandeha io dia tsy maintsy hiverina indray ny halatr’omby satria mety hiakatra ny vidiny kanefa ny aomby efa manomboka tsy misy. Ny aomby anefa ho anay dia tsy biby tsotra fotsiny fa tena mifamatotra betsaka amin’ny kolontsaina Tandroy ka noho izany dia tsy ekenay io » hoy i Pasy, mpiompy.

Amin’izao fotoana izao dia miandry ny tohin’ity raharaha ity ireo mponina any amin’ny Faritra Atsimon’ny Nosy iny, Faritra izay tena anisany mampiasa sy manana omby betsaka indrindra eto Madagasikara.

Miranto Andrih

Laisser un commentaire