Etats-Unis : Hanandrana handefa angidimby voalohany ho any amin’ny planeta Mars ny NASA
Maminavina ny handefa angidimby “Ingenuity” ho eny amin’ny planeta Mars ny orinasa amerikana NASA amin’ny 8 ny volana aprily ho avy izao. Io no fanambarana nataon’izy ireo ny talata 23 martsa. Miendrika « drône » ity angidimby ity ary faran’izay maivana ihany koa raha ny fanazavana nentin’izy ireo. Efa miraikitra amin’ilay rover Perseverance nalefa ary nahavita nipetraka teny amin’ny planeta Mars ny volana lasa teo ity angidimby andramana ho alefa ity, hoy hatrany izy ireo. 1% no hitovizan’ny atmosphere eto amin’ny tany sy eny amin’ny planeta Mars. Ho tsotsorina ny fandefasana an’i ingenuity raha ny nambaran’ny NASA. Antenaina ahavita hanidina amin’ny herin’ny tenany ihany koa ity angidimby ity raha ny fanazavana hatrany. Hodinihina isaky ny 30 segondra ihany koa ny fomba fakany ireo sary eny amin’ny planeta Mars.
