Tsidika

Taninketsa indostrialy : Notolorana milina fanodinana akondro sy soanambo ireo tantsaha ao Soanierana Ivongo

Ny alatsinainy 10 Jolay teo no naterina tany Soanierana Ivongo ny milina sy fitaovana fanamboarana « chips » avy amin’ny akondro sy soanambo. ny Governoran’ny faritra Analanjirofo, Marcelin Randriamanantena no tonga tany an-toerana nanatitra izany ary nanentana ny mponina hamboly akondro sy sonambo ihany koa ny tenany.

« Atolotra antsika io fitaovana io hanodinana ny vokatsika. Tsy hisy akondro ho lo sy ho simba intsony aty amintsika », hoy izy, nandritra ny fampisehoana ampahibemaso ny ozinina fanamboarana chips tao amin’ny Tranompokonolona ao Soanierana Ivongo

Araka ny fampahafantarana dia mahatelina akora fototra 100 kilao isan’ora na 1 taonina isan’andro ny ozinina fanamboarana chips ao Soanierana Ivongo. “Tsy hampitombo ny vola miditra amin’ny tantsaha fotsiny ihany fa hamaly ny filàna ara-tsakafon’ny mpanjifa koa ny Taninketsa indostrialy » hoy ny teknisianina.

Naneho ny fankasitrahany ihany koa ireo mponina nanoloana ity fanolorana fitaovana ity. « Akondro, betsaka aminay aty. Soanambo tsy lany. Isaorana ianreo mpitondra fanjakana nijery anay. Ela no niandrasana fitaovana toy izao. Tonga izy ankehitriny. Izahay tantsaha tena vonona hamokatra », hoy i Faneva, tantsaha.

Paika iray mety hitondra fandrosoana ho an’ny Faritra iray ny fanomezena lanja ny vokatra sy ny harena eo aminy satria sady mamorona asa izany no mampidi-bola. Ilaina ihany koa ny fahaizana mamadika ny zava-misy ho lasa irika fanararaotra.

Miranto Andrih

Laisser un commentaire