Etats-Unis : Nodimandry ilay mpilalao horonantsary amerikana George Segal.
Nodimandry ny talata 23 martsa tao Californie ilay mpilalao horonantsary amerikana George Segal raha araka ny tatitra nataon’ny magazine hollywoodien Deadline. Fahasoratana teo amin’ny fandidina natao tamin’ny faritry ny fony no nahafaty ity mpilalao horonantsary ity hoy ny vadiny Sonia tamina fifandraisana an-tsoratra nomeny ny magazine Deadline. 87 taona izy izao maty izao ary efa betsaka ireo horonantsary nolalaoviny ary nahazoany marim-pankasitrahana mihitsy aza ny sasany. Voahosotra ho mpilalao mpanampy mendrika indrindra izy ny taona 1967 tamin’ny anjara toerany tao amin’ilay horonantsary mitondra ny lohateny hoe “Qui a peur de Virginia Woolf”. Fantatra tamin’ny fandraisany anjara amina horonantsary mitohy mandeha amin’ny fahitalavitra ihany koa i George Segal. Nisalotra ny anarana “Pops Solomon” izy tao amin’ilay horonantsary mitohy “Les Goldberg” nanomboka ny taona 2013.
