SportTsidika

Sokajiana ho fialam-boly ny fifaninana ara-panatanjahantena.

Efa maro ankehitriny ireo lalao ara-panatanjahantena misy eto Madagasikara. Mihabetsaka ihany koa ireo fikambanana sasantsasany miezaka mampivoatra izany. Hita matetika eto amin’ny firenena Malagasy ny fifaninana eo amin’ny vondrona samihafa. Natao hialana voly ho an’ny mpijery izy ireny. Hanavaozana ny traik’efa kosa ho an’ny mpilalao. Ny tontolon’ny baolina kitra matetika no ahitana fifaninanana eo amin’ny klioba maro samihafa amin’ny toerana maro samihafa ihany koa. Anisan’ny tranga niavaka anefa ity niseho tetsy amin’ny kianja Pault Minault Androhibe ity. Nisy ny lalao baolina kitra niafara tamin’ny ady saritaka ny alahady 21 martsa lasa teo. Nisy ny tsy fifankazahoana eo amin’ny mpijery andaniny sy ankilany ary ny mpitsara ka niteraka fikorontanana nandritran’ny lalao izany. Mpilalao avy amin’ny toerana roa samihafa no rafitra ady tamin’io fotoana io. Voalaza fa nahatezitra ny mpijery sy ny mpilalao ny fitsimbadihan’ny isa tamin’ny folo minitra farany tsy hifaranan’ny lalao. Niakatra ny hatezeran’ireo mpijery ka raikitra ny fifampitoraham-bato sy tavoahangy. Vokany, nisy ireo natratra sy voasambotry ny mpitandro ny filaminana. Toe-tsaina mbola raiki-tapisaka amin’ny ankamaroan’ny malagasy ny tsy fahazakana resy na eo aza ireny ohatra maro efa nihainan-tsika tamin’ny lalaon’ny Barea ireny. Tsy tokony ny any ivelany ihany no hampisehoana ny firaisan-kina fa na ny samy mifaninana eto an-toerana aza tokony hametraka hatrany ny firaisan-kina ho laharam-pahamehana amin’ny sehatra rehetra.

Fanilo Rarivoarilala

Laisser un commentaire