ActualitésTsidika

JIRAMA : Mitotaly 19 ireo kandida nifaninana ho « Manager de redressement »

Raha tsiahivina dia nanapaka ny avy amin’ny filan-kevitry ny Minisitra fa handray manam-pahaizana manokana hiandraikitra ny famahana ny olan’ny fahatapahan-jiro eto Madagasikara. Nalefa ny antso ary fantatra ankehitriny fa miisa 19 ireo kandida namaly ny antso tamin’izany.

Araka ny rafitra sy fomba fiasa hatrany dia mason-tsivana 13 no nolalovan’ireo  mpifaninana ireo ka ny 4 tamin’izy ireo sisa no tavela.  Tsy izy rehetra anefa no ho voaray fa mbola hitohy hatrany ny fanivanana ka kandida 2 sisa no ho safidiana farany ary ny filan-kevitry ny Minisitra no hamoaka izay ho “Manager de redressement” ao amin’ny orinasa JIRAMA.

“ Mason-tsivana maro samihafa no efa natao mba hijerena izay tena ahavita hamaha ny olan’ny krizy misy eto anivon’ny JIRAMA . Izay lany eo araka izany dia azo antoka fa olona manana ny traikefany sy ny fahaizany satria dia olona manam-pahaizana manokana maro no efa nandinika sy namapanao sivana azy. Antenaintsika noho izany fa ho vitany ny azsa izay hiandraiketany sy nametrahana azy eo” hoy ny tompon’andraikitry ny JIRAMA.

“Raha olon-tokana izany tsy antenaina hahavita hamaha ny olana efa niainana am-polo-taona maro tao amin’ny orinasa JIRAMA. Resaka no betsaka fa fampanantenana mitovy ny fampanantenana rehetra hatrizay ihany ny fahitako an’io resaka Manager hamahana olana io. Ho anay mpanjifa dia tsy afa-manoatra fa miaina izay zava-misy eo saingy ny fampandriana adrisa no efa tsy mandaitra aminay intsony” Hoy Tolotra mpanjifa.

Mahaliana sy andrasan’ny mpanara-baovao maro amin’izao ny mikasika ity fandraisana manam-pahaizana manokana ao amin’ny JIRAMA ity. Miandry ihany koa ny mpanjifa ny hisian’ny fiovana sy fahatsaran’ny tolotra rehefa miasa ilay manam-pahaizana.

Miranto Andrih

Laisser un commentaire