Mila manao ezaka ny tsirairay amin’ny fampandrosoana.
Toe-tsaina mbola tsy afaka amin’ny Malagasy ny fiandrasana fanampiana avy any ivelany. Mety ho anton’izany ny mbola tsy fananana ny enti-manana sy amin’ny maha firenena mbola andalam-pandrosoana an’i Madagasikara. Efa maro ireo fanampiana avy any ivelany raisina eto aminny firenena. Tsy tokony hiandry izany foana anefa i Madagasikara vao afaka manatanteraka tetikasa iray. Ilaina ny mpiara miombon’antoka, fa zava-dehibe ihany koa ny fitadiavan’ny tompon’andraikitra vahaolana amin’ny zava-misy eto an-toerana. Ny olana mantsy, ho avy ny fotoana tsy hahafahan’izy ireny manatanteraka fiaraha- miasa sy fanampiana intsony. Mety ho antony izany ny fahasahiranana misy toy izao miseho ankehitriny izao. Nanamafy izany ny praiminisitra Ntsay Christian raha nanao fidinana ifotony tao amin’ny distrikan’ny Benenitra sy Ampanihy any Atsimo Andrefana ny faran’ny herinandro teo. Namory ireo tompon’andraikitra amin’ireo toerana notsidihina ny tenany. Navohitra tamin’izany fa tokony handray andraikitra avokoa ny manam-pahefana rehetra isan-tsokajiny. Tsy tokony hisy distrika latsa-danja intsony eto amin’ny firenena rehefa tanteraka izay fandraisana andraikitra feno hataon’ny tsirairay izay.
Fanilo Rarivoarilala
