ActualitésTatitra

Etats-Unis : Voaheloka higadra 198 taona i Hunter James Tatum

Raha tsiahivina dia nitifitra basy ny vadiny izay nitondra vohoka enim-bolana i Hunter James Tatum rehefa fantany fa nampirafy azy io vadiny io. Tao Prattville, ao Alabama no niseho ity tranga ity tamin’ny 18 oktobra 2021. Tratran’i Hunter James Tatum nampirafy azy an-jotra tamin’ny vehivavy iray tao Angleterre ny vadiny ka nitifitra azy indroa teo amin’ny lohany.

Rehefa tonga tao an-toerana ireo manam-pahefana dia nitondra haingana ilay vehivavy tany amin’ny hopitaly ary nampiteraka azy saingy tsy tana avokoa ny ain’izy mianaka. Mbola ny niaro nahavita niaro ny vadiny nefa ilay vehivavy tao alohan’izany. Nilaza nentin’ny fahatezerana i Hunter James Tatum, nandrohana azy saingy tsy nahy no nahavoatifitra azy.

Re tamin’ny horonampeo tao an-tranon’izy ireo nefa fa nitalao ny tsy hanaovan’i Hunter James Tatum na inona na inona ny zanany io vehivavy io talohan’ny nitifirany azy indroa. Manoloana ny tranga dia voaheloka higadra 198 taona io lehilahy io.

Laisser un commentaire