Actualités

Kianja Masoandro: ho lalaovina an-tsehatra ny tantaran’ny Mpanjaka nifandimby

Ho hezahina ampahafantarina amin’ny fomba maro isan-karazany ny tantaram-pirenena ka isan’izany ny tantaran’ireo Mpanjaka nifandimby teto Madagasikara. Noho izany indrindra no antony isian’ny tantara an-tsehatra isaky ny Sabotsy tolakandro ao amin’ny Kianja Masoandro Manjakamiadana izay hilalaovana ny tantaran’ireo Mpanjaka nifandimby tamin’nytaonjato faha-19

Raha ny fandaharam-potoana nolazaina dia hisy ny fidirana in-droa miantaona amin’ny fijerena izany tanatara an-tsehatra isaky ny Sabotsy  izany ka ny voalohany amin’ny 3 ora ary  amin’ny 4 ora kosa ny faharoa.“Ho ampahafantarina miandalana amintsika eto ihany ny andinindininy mikasika ny daty hanombohan’izany hetsika izany sy izay mety ho fandraisana anjarantsika mpijery” hoy ny avy amin’ny departemanta miandraikitra ny vakoka.

 “Mahafinaritra ny fiezahana hamelona indray ny tantara toy izao, fa aoka kosa mba ho voahaja hatrany ny hasina sy ny fomba fonosin’ireny tanatara ireny” hoy ny mpahay tantara.

Miampy iray indray noho izany ny zavatra azo tsidihana sy hisarihana mpizahan-tany ao anatin’ity vako-pirenena ity .

Miranto Andrih

Laisser un commentaire