Raharaha Doris Rakoto : voasazy 2 taona an-tranomaizina sasy mihanatona
Notanterahina ny Zoma 23 Jona lasa teo ny fitsarana an-dRamatoa Doris Rakoto vadin’i Maherilanto Mnandafy . Nivoaka ary ny didim-pitsarana ary nambara fa voaheloka higadra 2 taona an-tranomaizina sazy mihantona ny tenany.
“Nivoaka tamin’ny fahanginana izahay androany teo anivon’ny fitsarana ,afaka ivelan’ny fonja I Doris saingy kosa mbola tsy mora izany sazy mihantona mihatra aminy mandritra ny 2 taona be izao “hoy ny mpanara-dia azy.
“Vehivavy mahery fo i Doris matoa nahasahy nitarika ireny fitakiana ireny tsy niala izy ary niroso hatrany na dia teo aza ny vadiny izay tany am-ponja. Mankahery azy hatrany amin’izao voka-pitsarana izao.” Hoy i Ramatoa Bakoly mpanara-baovao.
Mampametra-panontaniana ny maro ny mety ho tohin’ity raharaha ity indridra ny akon’izao any amin’i Maherilanto vadiny.
Miranto Andrih
