Ambohimanambola: Lehilahy iray hita faty tao amoron’Ikopa
Lehilahy iray efa tsy nisy aina intsony no hitan’ny fokonolona tao amoron’Ikopa, fokontany Ampahimanga, Ambohimanambola, ny Talata tolak’andro teo. Nanahirana ireo fokonolona ny namantatra ny razana, satria efa simba tanteraka ny tarehin’ity lehilahy hita faty ity, araka ny voalaza.
“Tsy fantatra mihitsy aloha izay tena zavatra nitranga satria raha ny zava-misy sy hita dia efa simba avy tao anaty rano ny tarehin’ilay olona. Tsy hay izany na maty an-drano ka nohanin’ny trondro ny tarehiny na nisy namono” hoy i Andry, mpanjono.
“Nisy ihany ny fampialazana natao tamin’ireo manam-pahefana ary efa nandray an-tanana ny zava-misy ireo. Raha ny hita aloha dia olona vahiny, tsy mponina avy eto an-toerana raha ny fahitana azy” hoy i Léa, mponina ao Ambohimanambola.
Nandray ny andraikiny avy hatrany moa ireo mpitandro filaminana tao an-toerana manoloana ity tranga ity ary misokatra ny fanadihadiana mahakasika izany.
Manitra R.
