Comores : Nanolotra fiara mpamonjy voina ho an’ny kaominina Bandamadji-Domba ny fondation Soprano
Nanolotra fiara mpamonjy voina iray ho an’ny kaominina Bandamadji-Domba ny fondation Soprano, tarihin’ilay mpihira malaza Soprano izay franco-comorien. Natao izany fihetsika izany mba afahafana mamoaka sy mitatitra ireo marary am-pilaminana sy azo antoka ao Moroni izay 48 kilometatra miala ny kaominina raha ny fanazavana.
Tao anaty fahanginana tanteraka kosa no nanaovan’i Soprano an’i fanomezana. Tsy nampiantso mpanao gazety izy ary raha ny fanazavana dia hisy sekoly natsangan’ny vondrona entiny hisokatra ao amin’io kaominina io alohan’ny fiafaran’ity taona ity.
Marihana fa tonga mitsidika mangingina matetika ny nosy Comores i Soprano manatenteraka hetsika samihafa miaraka amin’ny Unicef ary mitondra fanampiana ho an’ny sehatry ny fanabeazana sy ny fitsaboana ao an-toerana.
