ConseilTsidika

Torohevitra: Taiza vatana mialohan’ny fety

Rehefa ankatoky ny faran’ny herinandro tahaka izao matetika no mitaky ny harerahana sy ny havizanana nandritra ny herinandro. Namely teny ihany koa ny fiovaovan’ny toetr’andro, ny ririnina, ny fanala amin’ny maraina sy ny sery sy gripa isan-karazany. Mila fikarakarana ny vatana na dia mangatsika aza ny andro, ary anisan’ny manavao ny hery anaty indray izany hahafahana miatrika faran’ny herinandro sy ny fetim-pirenena.

Misy fomba tsotra, azo atao hanamaivanana ny havizanana. Voalohany amin’izany, rehefa amin’ny hariva mialohan’ny atory, azo atao ny mandro amin’ny ranona katrafay nampangotrahana ary matimaty no ampiasaina. Ny katrafay moa dia hazo maniry eto Madagasikara ary ny hodiny dia azo atao fanafody fanalana havizanana soa aman-tsara, ary mamerina ny hery indray, izy ity izay hita eny amin’ny mpivarotra tapa-kazo eny.

Manaraka izany, azo atao ihany koa ny mandona ny tongotra anaty rano mafana, rehefa amin’ny hariva mialohan’ny atory. Tsara ihany koa ny fanaovana izany amin’izao andro mangatsiaka izao satria mampafana ary mora mampahita tory. Azo asiana sira kely ny rano andomana tongotra amin’izay fotoana izay, ary atao rano mafana izay zaka.

Manitra R.

Laisser un commentaire