La Réunion : Hisokatra ho an’ireo daholobe ireo toby ny mpamono afo efatra
Hankalazaina ny sabotsy 24 jona izao ny andro ny mpamono afo ao La Réunion. Manoloana izany dia hisokatra ho an’ny daholobe ireo toby ny mpamono afo efatra ao an-toerana entina hanehoana ny an-davanandrom-piainan’ireo mpamono afo ireo. Hisy ihany koa ny fampianarana ny « premier secours » sy ny fisarihana amin’io asa io.
Andro iray entina hankasitrahana ireo vehivavy sy lehilahy mahery fo miaro sy mamonjy ain’olona ireo ihany koa io andro io raha ny fanazavana. Entina hanentanana sy hampitandremana ny mponina manoloana ny loza ihany koa izany. Ny SDIS (Service départemental d’incendie et de secours) ao an-toerana kosa no mikarakara io fahafahan’ny daholobe mitsidika ny toby io.
