France : Tontosa ny fihaonan’i Giorgia Meloni sy i Emmanuel Macron
Tao anatin’ny volana maromaro izao dia nisy ny tsy fifankazahoana teo amin’i France sy Italie. Manoloana izany dia nisy ny fifanankalozan-kevitra teo amin’ny filohan’i France, Emmanuel Macron sy ny filohan’ny filan-kevitr’i Italie, Giorgia Meloni omaly nentina nandaminana ny toe-draharaha.
Voalohany hatramin’ny naha mpikambana ny governemanta an’i Giorgia Meloni no noraisana tao amin’ny Elysée izy. Marihana fa noho ny fanohanana ny firotsahan’i Rome amin’ny fikarakarana ny « Exposition Universelle 2030» no tena anton-dian’io tompon’andraikitra io tao amin’ny renivohitr’i France.
Raha tsiahivina kosa dia ny fandàvan’i Giorgia Meloni hampiantrano mpifindra monina 230 isa tao amoron’ny Ocean Viking tamin’ny volana novambra farany teo no niandohan’ny fifandirana teo amin’i Italie sy France.
