Alasora: Nizotra ampilaminana ny fanatanterahana ny hetsika didim-poitra faobe
Ny sabotsy teo no nanatanterahana ny andro farany ny hetsika didim-poitra faobe, izay natolotry ny avy ao amin’ny kaominina Alasora. Nizotra ampilaminana ny fanatanterahana ny hetsika, nandritra ireo telo andro nanatontosana izany, araka ny voalaza.
« Hetsika voalohany atolotry ny kaominina amin’izao fankalazana ny fetim-pirenena izao ity didim-poitra faobe ity, izay natao maimaim-poana ho an’ny mponina. Ny fokontany Est-Mahazoarivo sy Mahitsy no namarana izany ary hisaorana ny mpitsabo niara-niasa tamin’ny fanatontosana izany » hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
« Tena manolotra fisaorana sy fankasitrahana feno ho an’ny ben’ny tanàna sy ireo mpiara-miasa aminy amin’ny fanatontosana ny hetsika satria tena nanampy sy nanohana ny vahoaka hatramin’ny farany tokoa izy ireo. Mahatsiaro misy mpiahy ary afa-pahasahiranana ny mponina amin’izao ezaka ataon’izy ireo izao » hoy i Rémi, mponina ao Alasora.
Mbola maro moa ireo hetsika hafa atolotry ny kaominina amin’ity herinandro hankalazana ny asaramanitra ity. Samy ahazo ny anjarany avokoa ireo ireo sokajin-taona rehetra ao an-toerana ao anatin’izany.
Manitra R.
