ActualitésTsidika

Ambohimangakely: Mitohy ny hetsika fampisakafoanana an-tsekoly

Mitohy hatrany  ny hetsika firotsahana an-tsehatra amin’ny fampisakafoanana an-tsekoly, izay tarihin’ny ben’ny tanàna, manerana ireo EPP ao amin’ny kaominina Ambohimangakely. Ny faran’ny herinandro teo dia ny EPP Ambohipiainana indray no nisitraka izany, araka ny voalaza.

« Ao anatin’ny ezaka ataon’ny kaominina dia mitohy hatrany ny fanomezana cantine scolaire ho an’ireo ankizy mpianatra eto amin’ny faritry ny kaominina, izay fiaraha-miasa miaraka amin’ireo mpiara miombon’antoka sy ireo fikambanana maro miara-miasa hatrany amin’ny kaolinina » hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

« Hafaliana hatrany ho an’ny ankizy sy ireo mpanabe, indrindra ho an’ireo ray amandrenin’ny mpianatra, ity hetsika ity. Anisan’ny manamaivana ny fahasahiranana ary tena manohana vatsin’aina ho an’ny mpianatra izany. Ny hirariana dia ny hitohizan’ny hetsika hatrany » hoy ny avy amin’ireo mpanabe.

Ho an’ity hetsika teny amin’ny EPP Ambohipiainana ity moa dia niara-nanolotra izany tamin’ny kaominina ny Orinasa ATOM ao an-toerana. Sakafo, vatsy sy tohan’aina ary kilalao moa no nomena ireo ankizy nandritra izany.

Manitra R.

Laisser un commentaire