ActualitésTsidika

Avaradrano: Mioman-komana ny fankalazana ny fetim-pirenena

Mioman-komana ny fankalazana ny fety fankalazana ny faha 63 taona niverenan’ny fahaleovan-tena Malagasy, ho an’ny distrika Avaradrano. Hetsika maro isan-karazany no nomanin’ny tomponandraikitra mandritra ny andro maromaro, araka ny voalaza.

“Ho manitra hasaramanitra Avaradrano. Maro ireo hetsika hankalazaina mandritra ity fankalazana ity. Hisantarana izany ny zoma 23 jona ho avy io no hanatanterahana ny Takarivan’Avaradrano izay ho tanterahana eny amin’ny Espace Anjaratiavina Sabotsy Namehana” hoy ireo tomponandraikitra.

“Hitohy ny andron’ny 24 jona hatrany ny hetsika ka lalao baolina kitra “intercommunale” no hiseho mandritra izany, izany hifandonan’ny kaominina Sabotsy Namehana sy ny kaominina Ambohimangakely. Ao amin’ny kianja Herisetra Rafanodina Sabotsy Namehana ihany no hanatanterahana izany” hoy hatrany ny fanazavana.

Marihina moa fa hitohy amin’ny fety ho an’ny daholo be izany fankalazana izany ny andron’ny 25 jona sy 26 jona. Mbola hisy ny podium ao an-toerana izay arahana afomanga ary hisy kosa ny matso ny andron’ny 26 jona.

Manitra R.

Laisser un commentaire