ActualitésTsidika

Atletisma: Hotanterahina ny 30 jona hatramin’ny 2 jolay ny fiadiana ny Tompondakan’i Madagasikara

Hotanterahina ny 30 jona izao hatramin’ny 2 jolay ny fiadiana ny ho tompondakan’ny Madagasikara amin’ny taranja Atletisma. Io fotoana io ihany koa no hanatanterahana ny fisafidianana ireo izay ho solontenan’ny Madagsikara amin’ny Llaon’ny Nosy.

“Fotoana iray hahafahana mifantina ireo izay hisolo tena an’ny Madagasikara amin’ity taranja ity io lalao lehibe io. Efa vonona ihany koa ny toeram-pihazakazahana “tartan” ka eo mihitsy ireo atleta ireo no hiatrika ny lalao”, hoy I Dominique RaherisonFilohan’ny  Fédération malgache d’athlétisme (FMA)

Marihina fa handray anjara amin’ity lalao ity ihany koa ireo izay niofana tany Chine izay efa tonga eto Madagasikara.

“Efa 2 volana mahery kely eo sisa dia ho tonga ilay lalaon’ny Nosy. Izao ve vao hanao izany tsy ohatran’ny kitoatoa be ihany ny asa. Dia hampivondronina ireo atleta rehefa avy eo dia haharitra firy andro indray. Rah any fahitana ilay fomba fiasa manko dia somary ela foana isaky ny manao zavatra. Sao tokony hajanona ihany ilay lalaon’ny Nosy”, hoy i Garry, mpankafy fanatanjahantena sady mpandinika fiaraha-monina.

Aorian’ity lalao ity dia hanana ny lisitra amin’izay ny federasiona ka hisy ny fanombanana hahafahana mitana ireo izay tena hisolo tena an’ny Madagasikara.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire